airtel

Fandriampahalemana

23-mai-2024

FONJAN’ANTANIMORA

« Tsy misy sarany izany ny famangiana »

Sample post image

Tsy misy sarany hoy ny tompon’andraikitra ny famangiana ireo voafonja eny amin’ny fonjaben’ Antanimora.

23-mai-2024

Tsy tokony hanaiky ho voarebirebin’ireny mpijirika ireny ireo manana olona mamita sazy eny an-toerana noho izany. Nampahafantatra sy nanome toromarika ireo olona manana havana voafonja eny an-toerana Razafindraka Heriniaina, tompon’andraikitra eo anivon’ity fonja ity omaly. Nambarany tamin’izany fa misy karazany roa ny famangiana olona eny am-ponja. Voalohany ho an’ireo efa voatsara izay eny amin’ny fonja ihany no maka sy mangataka ny taratasy fahazoan-dalana hahafahana mamangy ny havany ireo fianakaviany. Faharoa kosa ho an’ireo olona mbola tsy voatsara. Eny amin’ny tribonaly Anosy indray no alaina ny taratasy fahazoan-dalana hahafahana mamangy ilay voafonja raha eny amin’ny 67 ha kosa raha teny amin’ny PAC ilay raharaha nahavoasazy ilay olona. Nambarany fa olona miisa 3 no misoratra ao anatin’ilay taratasy fangatahana fahazoan-dalana hamangy. Mitondra dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena sy taratasy fangatahana ilay fianakaviana mandritra izany. Isaky ny Alakamisy sy Alahady ihany moa no famangiana ireo voafonja hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.
Pati
Legende : Afaka mandray ireo olona mila fanazavana ihany koa ny tompon’andraikitra eto amin’ny fonjaben’Antanimora !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap