airtel

Fandriampahalemana

20-sept-2021

Fandriampahalemana

Gadra nitsoaka Voatifitra i Ra Pika

Sample post image

Mpanao fanafihana sy mpaka an-keriny nikoizana teto an-dRenivohitra i Ra Pika, raha ny tatitry ny polisim-pirenena.

20-sept-2021

Efa maro ny olona nampitondrainy takaitra ary efa malaza amin'ny fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny eto an-drenivohitra i Ra Pika ka nidoboka tany Tsiafahy. Tafatsoaka indray izy rehefa iny noentina natao fanadihadiana teny amin'ny fitsarana Anosy iny. Vao naheno izany ny Polisy dia nanao ny fikarohana ity olon-dratsy ity ary andro vitsy taorian'io dia fantatra fa any Ambohidratrimo no misy azy. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana ka nandositra avy hatrany ity olon- dratsy na dia nisy aza ny fampitandremana natao taminy. Voatery nitifitra ny tongony ny Polisy vao nijanona ity lehilahy ity. Nosamborina ity farany ary rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy dia natolotra ny tompon'andraikitra misahana ny raharaha, araka ny tatitra nataon'ny polisim-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap