tamin’ireo tompon’Andraikitra voalohany amin’ny Fandriampahalemana eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny tenin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Rtoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, fa tsy ekena ny goragora sy ny tandrevaka eny anivon’ny Fonja manerana ny nosy amin’izao tao anatin’ny ankatoky ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona izao, hoy ny tatitra tao anatin’izany. Nambara fa hisy ny paikady manokana hiatrehana an’izany ho an’ireo fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja, sy ireo Lehiben’ny Fonja rehetra. Notsindriany sy nohamafisiny fa hisy ny fepetra ho raisina ho an’ireo izay minia tsy manaraka ny toromarika. Vonona ny tompon’andraikitra rehetra hanatanteraka ny toromarika ,ary nanome toky ny hampandry fahalemana ny eny anivon’ny Fonja manerana ny Nosy, hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisitry ny Fitsarana. Matoa tonga amin’izao dia midika izany fa mety misy ny ambana na tsy fahatokisana amin’ny fandriampahalemana eny anivon’ny fonja, ka mahatonga ny Minisitera nanao an’io karazana toromarika sy fampitandremana io.
Toky R
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy