notrobaran’ny olon-dratsy ny masony havia sy havanana, raha ny tati-baovao voaray. Tao Ejeda, atsimo andrefan’i Toliara no nitrangan’izao habibiana izao, raha ny fanampim-panazavana. 2 vavy izy ireo no niaraka ary narahana lehilahy miisa 2 izay namono nahafaty ilay vehivavy iray. Tsy maty kosa ity renimpianakaviana voatrobaka maso ity na dia efa nototain’ireo jiolahy vato aza ny lohany ary afaka niantso vonjeo. Efa nahazo fitsaboana teny amin’ny hopitaly moa ity renim-pianakaviana ity tamin’iny sabotsy iny ihany raha toa ka mbola nifampitadiavana kosa ny razan’ilay namany iray, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Mipetraka hatrany moa ny fanontaniana, indrindra, amina vanim-potoana toy izao eto amin’ny firenena hoe aiza ny tena maha mpitandro ny filaminana tandroka aron’ny vozona natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany? Toa rakotr’izany anefa amin’izao fotoana izao eto Antananarivo ary toa tsy hiady amin’izany akory no antony hijoroana fa manao ho hery famoretana vahoaka manao hetsika hitakiana fahamarinana sy fangaraharaham-pifidianana am-pilaminana ?
J. Mirija
Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.
Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,
Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.
Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.