airtel

Fandriampahalemana

26-déc-2025

Haja mpamily taxi,

nanjavona 19 andro Hita faty taO

Sample post image

anaty lavapiringa, natao tao anaty sinibe plastika

26-déc-2025

19 andro taorian’ny nanjavonan’ilay mpitondra taxi antsoina hoe Haja, vao 36 taona monja, dia hita faty ny 24 desambra 2025 tokony ho tamin’ny 9ora alina izy. Izy ilay mpamily fiara Peugeot 205 izay efa nisy filazana fikarohana natao hatramin’ny 05 desambra 2025. Niainga teo amin’ny Total By Pass tamin’ny 2 ora tolakandro ny androtr’io, nitondra mpandeha ary tsy hita nanomboka teo.Teny amin’ny fokontany Miadana, Kaomina Alasora no nahitana ny razana. Novonoin’ireo tsy mataho-tody izy ary natao tao anaty sinibe plastika manga, avy eo natsipy tao anaty lavapiringy. Efa tsy nahitana olona intsony ny trano nifanakaiky amin’io lavapiringa io, raha ny fanamarihana. Nandritra ny andro nahitana ny razana dia tonga teny an-toerana avy hatrany ny Mpitandro filaminana sy ny mpiasan’ny hopitaly CSB 2 Alasora nanao fitsirihana sy fanadihadiana. Nampirisika ny rehetra izy mba hampandre ny manampahefana raha misy mahita na manana vaovao. Ity tranga mampalahelo ity dia maneho fa tsy mandry ny tany, lasibatra ny tsy manan-tsiny mba andeha hitady sy hihary, kanefa manaraka hatramin’ny aina noho ny hetraketraky ny tsy mataho-tody. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviana izay namoy havana isika eto amin’ny Tia Tanindrazana. Misintona hatrany ny sain’ny rehetra momba ny tsy fandriampahalemana sy ny filàna fiaraha-mientan’ny olom-pirenena amin’ny fanampiana ny manampahefana rehefa misy olona tsy hita na misy toe-javatra mampiahiahy.
Toky R
 

Dans la même rubrique