teo rehefa nangalatra "Batterie" an'ireo fiara mipetraka eny an-toerana. Nahazoana vokany ny velapandrika napetraky ny Polisim-pirenena eto anivon'ny boriborintany fahatelo mahakasika ny halatra "batteries" amin'ny fiara izay mipetraka amoron-dalana eny amin’iny faritra iny. Tena mirongatra sy mahazo vahana tanteraka mantsy izany. Mbola tratra teny amin’io lehilahy io noho izany ireo fitaovana fampiasana toy ny "clé" sy "pince". Taorian'ny fakana am-bavany azy dia natolotra ny fitsaràna ity farany ka dia naiditra m-ponja vonjimaika eny amin'ny fonjaben'Antanimora. Tsy mijanona hatreo moa ny ezaka hataon’ny polisim-pirenena hametrahana ny filaminana eny amin’iny faritra iny.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy sy ireo fitaovana nampiasainy !
Henjana ny tsy fandriam-pahalemana, hany ka atoandro be nanahary mihitsy no manao