Ilay tovovavy mpanampy an-trano niaraka tamin’ny sakaizany no ati-doha nikotrika izany raha mpampiasa itsy voalohany kosa ireo lasibatra. Tany Antananarivokely Tsinjoarivo, kominina Antsapandrano, distrikan'Ambatolampy no tratra izy roakely tamin'ny 27 janoary lasa teo. Tany Ivato Centre, distrikan'Ambositra kosa no tratra ny sasany izay anisan'ny mpiray tsikombakomba tamin'ny mpangalatra, raha teny amin’ny 67 sy Andavamamba ny sasany. Ankoatra ireo finday miisa 06 moa dia fantatra ihany koa fa lelavola mitentina Ar 13.000.000 no tao anatiny niampy antontan-taratasy maro samihafa izay samy very avokoa. Rehefa nohenoina moa izy rehetra ireo dia samy niaiky daholo fa nandray anjara tamin'ny fandaniana ilay vola. Na izany aza amin'ny tompony ny ampaham-bola Ar 800.000 niampy ny antotan-taratasy rehetra. Natolotra ny fitsarana omaly 31 janoary izy dimy mianadahy ka naiditra am-ponja vonjimaika raha mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba hafa izay mbola tsy hita popoka ny sasany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy dimy mianadahy
Zazalahy kely varira iray indray tamin’ny faran’ny herinandro teo no fantatra fa hita faty tany amin’ny distrikan’i Belo Sur Tsiribihiana.
Tsy mandry fahalemana intsony ny tanana eto amintsika. Ankoatra ireo mpanendaka sy mpamono olona dia lehilahy miisa roa 43 taona sy 40 taona indray no fantatra fa nangalatra cageot,
Hotanterahina anio alatsinainy 05 jona taona 2023 ny fanadinana fiodinana faharoa hidirana ho polisim-pirenena. Araka ny fandaminana dia
Polisy manao fanamiana sivily amin'ny 4 ora maraina manao fisafoana any anaty elakelan-tranon'Anosibe no nifanehitra tamin'ireo andian-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana,