airtel

Fandriampahalemana

08-juil-2021

Fandriampahalemana

Halatra moto teny Andavamamba Lehilahy iray tratra teny amin’ny 67 ha

Sample post image

Lehilahy iray 24 taona no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny Boriborintany faha efatra CSP4 Isotry afak’omaly talata rehefa nangalatra moto.

08-juil-2021

Ny 20 mey lasa teo raha tsiahivina dia naharay fitarainana mahakasika fahaverezana moto Kymco JR iray teny Andavamamba ny mpitandro ny filaminana. Hita teny amin’ny 67 ha io moto io afak’omaly ka rehefa nandroso ny fanadihadiana dia tratra teo amin’ny manodidina teo ihany ny olona nangalatra azy. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny kaomisaria ity farany. Taorian’ny famotorana natao ny tovolahy dia niaiky tokoa izy fa izy no nangalatra io moto io. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha ka naiditra am-poinja vonjimaika ny tovolahy.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap