Ankoatra ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fivarotan-tena dia tsy vitsy ihany koa ireo efa mangalatra sy mamaky trano toy izy 15 mianadahy ireto izay nosamborina tany Sambava hatramin’ny omaly. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia mbola tsy ampy 18 taona avokoa izy ireo. Tao anatin’ilay hetsika 3 andro nanaovan’ny mpitandro filaminana fampandriana fahalemana ny tananan’i Sambava no nahatrarana azy ireo. Efa natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antalaha moa izy ireo ary nalefa eny anivon’ny toerana fitazonana zaza nania avokoa. Vehivavy avokoa ny 5 amin’izy 15 mianadahy ireto.
Nangonin’i Pati
Efa nisy teto ny hoe hala-jaza, mpaka fo, mpangalatra taolam-paty, mpaka an-keriny,
Mbola tsy nisy tranga nampalahelo sy nampivarahontsana tahaka ny namonoana
Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,
Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,