Tsy misy olona azo hitokisana intsony amin’izao noho ny hasarotan’ny fiainana. Ankoatra ilay hakamoana hampiasa saina sy vatana mba hahazoam-bola mantsy dia tsy vitsy ireo mitsiriritra fotsiny ny fananan’ny hafa ka lasa manaotao foana. Nisy orinasa iray vaky teny Tanjombato teny ny sabotsy 15 aprily lasa teo. Niantso avy hatrany ny kaomisaria foibe Atsimondrano ny tompony tokony ho tamin’ny 05 ora maraina ka nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy avy ao amin’ny UIR. Rehefa tonga teny an-toerana ireto farany lehilahy iray izay tsy iza fa mpiambina tao amin’ity orinasa ity ihany no tratra ambodiomby nangalatra « Lotrène » 30 gony tao an-toerana. Izy ity moa dia akora simika ampiasaina hanamboarana plastika. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy ity mpangalatra ity nanaovana fanadihadiana raha tafaverina tamin’ny tompony kosa ireo entana halatra.
Nangonin’i Pati
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy