ny halatra tariby an'ny orinasa JIRAMA tany Ankirihiry Toamasina. Ny 10 Janoary 2026 tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo raha tsiahivina dia naharay loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo ny Polisim-pirenena fa misy olona manapaka tariby mitarika herinaratra an’ny JIRAMA ao amin’ny fokontany Ankirihiry. NIdina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy ka olona miisa 05 no voasambotra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny. Lehilahy efatra amîn'izy ireo raha vehivavy iray. Nentina teny anivon’ny Biraon’ny Polisimpirenena ny raharaha nanokafana fanadihadihana ka ho atolotra ny fampanoavana anio Talata 13 Janoary izy ireo rehefa vita famotorana.
Pati
Légende : Izy dimy mirahalahy sy ireo tariby halatra nalainy !
Olon-dratsy 284 voasambotra, 126 fanafihana voasoroka, 1,38 miliara Ar nampidirin’ny pasipaoro,…