Raha araka ny fantatra dia namaky tranon’olona tamin’ny andro atoandro io lehilahy io. Teo am-pangalarana ny “télé écran plat” 01 sy solosaina enti-tanana 01 ary finday 01 izy no tra-tehaky ny tompon-trano ka nirifatra nitsoaka avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehina ka tra-tehaky ny fokonolona teo amin'ny manodidina ity olon-dratsy ity. Nataon'ny fokonolona fitsaram-bahoaka izy nandritra izany ka raha tsy tonga ara-potoana ny Polisy dia saika namoy ny ainy mihitsy. Noentin'ny Polisy tany amin'ny hopitaly ity jiolahy ity notsaboina, avy eo noentina tany amin'ny biraon'ny Polisy nanaovana fanadihadiana. Efa tafaverina any amin’ny tompony avokoa moa ireo entana avy nangalariny ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Tratra ambodiomby nangalatra ity lehilahy ity !
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazàna ny faha 102 taonan’ny Sekoly