Tena efa tonga hatrany am-piangonana ireo mpangalatra. Ankoatra ireo mahavita mangalatra ny poketran’ireo mpino mandritra ny fotoana fanateran-drakitra dia efa misy mandripaka ihany koa ny zava-maneno. “Ampli” vaovao‚ vao novidian’ny fiangonana katolika iray ao Antsohihy 03 tapitrisa Ariary mahery ny 17 may lasa teo no nanjavona tampoka. Mpikarakara zava-maneno ao amin’ny fiangonana katolika‚ nandeha maraina nanokatra fiangonana sady handamina ireo zava-maneno fa handray lamesan’ny mpianatra no nahatsikaritra voalohany izany. Natao ny filazana tao am-piangonana ny Alakamisy 18 may izay fahatsiarovana ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra mba hanomezam-baovao ireo mpino sao mba misy mahita izany. Tena nisy olona tsara sitrapo nahita tokoa. Namidin’ireo tsy mataho-tody taminy mantsy ity fitaovana hampiasaina hiderana an’Andriamanitra ity tamin’ny vidiny 240 000Ar. Niara-nientana nitady ilay mpivarotra entana halatra araka izany ny rehetra ka noraisim-potsiny tao an-tranony tao Ambalakida i Hervé. Rehefa nosavaina tao an-tokantranony dia tratra tao aminy avokoa ireo karazana zava-maneno tao am-piangonana nangalariny toy ireo fitaovam-piangonana avy any Bealanana ….Vao 24 taona moa ity tovolahy tratra ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity i Hervé, ilay tovolahy mpangalatra fitaovam-piangonana
Tsy milamina intsony ny fandriampahalemana eto amintsika.
Lasa faritra mena ny tananan’Alarobia Ambatomanga raha faran’izay nilamina teo aloha.
Vehivavy iray no fantatra fa saika voaholana tany Sabotsy Namehana ny datin’ny 22 Aprily lasa teo.