airtel

Fandriampahalemana

13-avril-2023

Fandriampahalemana

Handihizan’ny jiolahy i Toamasina Efa-dahy najedaky ny polisy, miaramila ny iray

Sample post image

Nirefodrefotra ny basy ny marainan’ny omaly 12 aprily 2023 tao Ambalabe akaikin'ny Cimetière ao Toamasina.

13-avril-2023

Jiolahy voalaza fa nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao Anjoma no nifanehatra tamin'ny Polisin'ny FIP (Force d’Intervention Spéciale), ka 4 izy ireo no maty tsy tra-drano. Efa nahazoana loharanom-baovao tao anatin’ny andro vitsivitsy ny fisiana andian-jiolahy manomana fanafihana, ka nanomezaba baiko ny avy amin’ny OMC (Organe Mixte de Conception) mba handraisana fepetra, nanome baiko ny hisorohana izany ny fampanoavana, ka nahitam-bokany hoy ny Lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina Atoa Vahiny Yvi Sandro . Raikitra ny fifandonana satria nisy tamin’ireo olon-dratsy no voalaza fa nitondra basy. Vokany, rotiky ny bala ireo voalaza fa jiolahy 4, ary azo ihany koa ny basy roa nentin’izy ireo, izay Makarov 9mm sy PA 7,65mm. Iray andro nialohan’io, izany hoe ny talata teo tamin’ny 3ora sy sasany hariva, dia efa nisy fanafihana mitam-basy tany akaiki'ny Lyçée Technique. Mpiasa iray nanao "recouvrement" no nosakanana lehilahy 4, ny roa teo aloha nitondra antsy, ary ny tao aoriana nitondra basy, raha ny tatitra. Nodarohan'izy ireo ny vody basy ilay mpiasa ary lasany ny vola 18 700 000 ariary. Io omaly maraina io indray dia io fa jiolahy 4 no matin'ny balan'ny mpitandro filaminana, ka nandeha avy hatrany ny tombatombana, fa mety ho ireo jiolahy nanafika ilay mpiasa ihany ireto maty ireto fa dia andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
MIARAMILA NY IRAY
Voalaza fa metisy sinoa ny iray tamin’ireo jiolahy maty voatifitra, ary miaramila am-perin’asa ny iray. “Nataoko ny fanadihadiana lalina, voamarina fa miaramila am-perin’asa ao Toamasina ny iray Izy no nitondra ilay basy Makarov 9mm sy nitifitra voalohany tamin’ilay sakoroka androany maraina teo akaikin’ny Cimetière. Telohahy Félix ny anarany, Galonana “Adjudant”, mitondra karatra miaramila misy sy matricule mazava”, hoy i Mickaelys Kamy Ndiamahazo tamin’ny fanehoan-kevitra niparitaka omaly. Tsy mbola nanamarina an’io kosa ny manam-pahefana. “Mitohy ny fanadihadiana, aoka samy ho tony fa mandray andraikitra ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana”, hoy ny Lehiben’ny fampanoavana. Fifandrifian-javatra sa nifanojo tamin’ny tranga ny naha tany amin’ilay toerana azy? Sa tena anaty fikambanan-jiolahy? Dia iza ihany izany no azon’ny Vahoaka itokisana? Ny natao hiaro azy itony mandroba, maningotra aina, mety ampahany itony fa betsaka ireo fandoto iray tandroka any anaty mpitandro filaminana, ary isan’ny andrenesana izany ao Toamasina, ka itony ny ampahany. Tsy fanakianana fa indraindray manahirana ihany koa ny resaka fitsarana. Hatramin’ny jiolahy any am-ponja voalaza fa misy manan-katao manao tsindry amin’ny hamoahana azy, hany ka mihorohoro ireo mpandraharaha na vahiny na Malagasy lasibatra, raha ao Toamasina. Tena henjana ny asan-jiolahy tao Toamasina tato ho ato, indrindra fa tao anatin’ny 3 volana voalohan’ny taona 2023. Avy aiza marina ny fitaovam-piadiana ampiasain’ny jiolahy? Fa rehefa jiolahy tahaka ny ahoana no tazonina any Tsiafahy ary rehefa tahaka ny inona no any Ambalatavoahangy? Adihevitra indraindray ihany koa ny hoe: ekena fa mafy ny fifandonana saingy tena tsy nisy hevitra tsy hamonoana azy mba hamongorana ny namany ve ireo jiolahy? Sa ny maty ihany no tsy miteny satria sao hisy tsiambaratelo avo lenta hivoaka?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap