airtel

Fandriampahalemana

17-nov-2023

IFOTAKA AMBOASARY ATSIMO

Zazalahy kely 15 taona maty notapahin-doha

Sample post image

Nitrangana vono olona feno habibiana indray tany Ifotaka, distrikan’Amboasary Atsimo ny 15 Novambra lasa teo.

17-nov-2023

Zazalahy kely iray manodidina 15 na 16 taona teo ho eo no notapahan'ny jiolahy ny lohany ka namoy ny ainy avy hatrany. Olona sendra nandalo no nahita ny lohan’io zaza io natao tsara fono tao anaty harona sachet plastika miloko mainty. Niantso ny tompon’andraikitra iretsy voalohany manoloana izany ka nosavaina ary indro fa mbola nahitana ra ilay loha avy noparahina. Vao tsy ela moa raha ny tombana no nanapahana ny lohan’ity zaza tsy manan-tsiny ity izay mbola tsy fantatra hoe : saika hataon’ireo jiolahy mpamono olona inona ? Olona telo kosa no efa tratra koa andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha. Efa miatrika fanadihadiana lalina izy ireo hoy ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy telolahy sy ilay lohan’olona notapahiny !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap