Efa tany amin’ny faramparan’ny taona 2022 no nisiana tranga maro, saingy miverina mahazo vahana indray. Tato anatin’ny iray volana latsaka, efa ho am-polony ny trangana fanapahan-doha sy fahitana fatin’olona efa tsy misy lohany intsony. Ny 29 janoary teo, lehilahy iray no hita faty tsy misy lohany intsony tany amin'ny Kaominina Ambanivohitr’i Antanambao distrikan’Antsirabe II. Tsy fantatra hoe nisy namono sa ahoana fa tsy teo intsony ny lohany sy ny tendany fa ny ilan'ny karandohany no sisa tavela hita, hoy ny fanamarihana. Ny 6 febroary teo, lehilahy iray antsoina hoe Jean, 40 taona eo ho eo, mpatsaka rano no hita maty tamin'ny fomba feno habibiana, tapa-doha, tany Ankatsakantsa any Morombe. 6 andro lasa iza, vehivavy bevohoka sy ny zanany lahy 5 taona handeha hitrandraka safira no hita faty tsy nisy intsony tao atsimon'Ambokalava Sakaraha. Nentin'ireo olon-dratsy ny lohan'izy mianaka, tsy hita anefa ny dian'ireo olon-dratsy noho ny orana, ary voalaza fa tsy misy havan'izy mianaka tao Sakaraha fa olona avy any Taolagnaro ireo nisy namono ireo. Ny faran’ny herinandro teo, nampivarahotsana ny sary naneho ny fahatrarana lehilahy iray niaraka tamin’ny lohana tovolahikely iray,… Raha miverina kely amin’ny tranga tany aloha, olona dimy no tapa-doha tao anatin'ny herinandro teo anelan’ny faran’ny septambra sy ny fiandohan’ny volana oktobra 2022 tany Belo-Tsiribihhina, ary 7 nandritra ny iray volana tamin’izany fotoana izany, ka anisany ny olona telo indray maty notapahin-doha tao Ankirondro, Berendriky (Tsimafana) ary tao Ambaibo-Anosimbola,…. Ny 23 oktobra, tanyy amin’ny toerana mampisaraka ny distrikan'Ihosy sy Sakaraha, tovovavy roa 15 sy 18 taona handeha hanatitra ny sakafon’ny Ray aman-dReniny maty nisy nanapa-doha rehefa niala tao Manombo be, kaominina Andohanilakaka, izay fonenany, ka tsy hita andro vits, ary razana efa samy tsy nisy loha loha no hita. Amin’ny ankampobeny, ny Faritra Menabe, Ihorombe ary Atsimo Andrefana no tena nahitana ny fanapahan-doha. Mampametra-panontaniana hoe: noho ny fahantrana ve no anton’izany sa efa zavatra hafa mihitsy? Misy ihany ny olona tratra, saingy tsy tena misy fanazavana mazava aloha hatrero. Toa mahalasa saina ihany hoe: tena mbola Malagasy izay manana soatoavina ho sarobidy ny aina ve no manao tahaka izao sa efa olo-kafa mihitsy? Endrika sy porofo fa tsy milamina intsony ny tany, misy olona lian-drà ka tsy hay intsony resaka sorona, na ambadika hoenti-mamilivily saim-bahoaka, na efa tena asa fampihorohoroana ara-bakiteny,… fa dia iaraha-mahita aloha hoe: tsy mandry intsony ny tany. Aiza ihany koa ilay fanambin’ny Fitondrana hamongorana ny tsy fandriampahalemana ?
Asa raha misy ifandraisany amin’ireny ny tranga teto an-drenivohitra nisiana famonoana zanaka mpanao politika sy mpanao politika iray hafa vao andro vitsy izay. Efa tena zava-doza ka na mety ho disadisam-piarahamonina tsotra aza,ahiana ho misy ambadika fanakorontanana sy fifanasoketana noho ny hevitra tsy mitovy. Na inona na inona antony, ny zava-doza dia tonga any filalaovana sy fandatsahana aina mihitsy.
Toky R
Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,
Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.
Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.
Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.