Vehivavy avy nisy nanendaka no tonga nametraka fitarainana tao amin'ny Kaomisarian'Isotry ny 13 Septambra lasa teo tamin'ny 11 ora sy sasany. Araka ny fitarainana nataony dia lasan'ireo olon-dratsy ny poketrany. Nidina teny an-toerana ireo Polisy manao fanamiana sivily nikaroka ireo jiolahy nanao ny asa ratsy. Natao ny fanarahan-dia sy velam-pandrika ka tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny teo amin'ny Bazar-ma Isotry ireo mpanao sinto-mahery roalahy. Poketra miisa roa vao avy noendahina no hita teny amin'izy ireo nandritra ny fotoana nisamborana azy roalahy ireto. Nentina teny amin'ny biraon'ny Polisy natao famotorana ireto mpanao sinto-mahery ireto hanokafana fanadihadiana mialohan'ny hanolorana azy ireo eo anatrehan'ny fampanoavana anio Alatsinainy.
Pati
Légende : Mpanendaka tahaka azy roalahy ireto daholo no mety hameno ny fonja eto amintsika !
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny