airtel

Fandriampahalemana

20-déc-2022

Fandriampahalemana

Isotry Zaza 13 taona , tratra nanao sinto-mahery

Sample post image

Zaza tsy ampy taona roa 13 taona sy 15 taona no tratra nanao sinto-mahery teny amin’ny tetezan-dRamala Isotry ny faran’ny herinandro teo.

20-déc-2022

Nikasa ny hanao sinto-mahery kitapon'olona mpiantsena tao Isotry izy roalahy ireto no tratra. Tsy nampoizin'izy ireo anefa ny fisian’ny Polisy manao fanamiana sivily efa manara-maso azy ireo. Nosamborina avy hatrany izy roalahy nandritra izany ka tsy afa-nitsoaka intsony. Raha araka ny fantatra moa dia noho ny fahatongavan’ny fety no nanosika azy ireo hangalatra toy izao. Nalefa eny anivon'ny sampana miandraikitra ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalàna izy ireo hanaovana fanadihadiana manokana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap