airtel

Fandriampahalemana

05-janv-2023

Fandriampahalemana

IVANDRY Nasian’ny olona soratra hoe : « mpangalatra 2023 » ilay olon-dratsy

Sample post image

Sahirana ny tokantrano Malagasy. Tsy vitsy ireo lasa manaotao foana noho izany indrindra fa ireo tsy an’asa. Raim-pianakaviana iray 38 taona

05-janv-2023

omaly alarobia 04 janoary tokony ho tamin’ny 6 ora no tratra nanongotra tafon-tsena teny Ivandry Pullman. Tratran'ny fokonolona ambodiomby mihitsy izy io. Tsy nahatana ny hatezerany ireto farany noho izany fa samy nikasi-tanana avokoa ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka ity farany no tonga ny polisy. Efa nasian'ireo fokonolona soratra hoe " mpangalatra 2023" moa ity olon-dratsy ity. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy izy ho fiarovana ny ainy sy ho fanadihadiana azy, ary efa nametraka fitoriana eo anivon'ny Polisy ilay nihara-boina.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap