airtel

Fandriampahalemana

17-janv-2024

IVANDRY

Vehivavy roa tratra nivaro-drongony tamin’ny mpianatra

Sample post image

Vehivavy miisa roa, 44 sy 25 taona no voasambotry ny

17-janv-2024

Sampan-draharahan'ny Polisim-pirenena misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelona( STUP) Anosy teny Ivandry afak’omaly Alatsinainy 15 janoary tokony ho tamin’ny 11 ora rehefa nivarotra rongony. Vaovao avy amin'ny olona tsara sitra-po no nahafantaran'ny Polisy ny fisian’ireto vehivavy mivarotra rongony eny Ivandry ireto, indrindra amin'ireo mpianatra eny an-toerana. Manoloana izany dia nandray andraikitra avy hatrany ny tompon’andraikitra, nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy. Nahitana rongony miisa 06 fonosana teny amin'izy mirahavavy rehefa nosavaina. Tamin'ny fanadihadiana dia fantatra fa eny Sabotsy Namehana no mpamatsy rongony azy ireo, ary mpianatra eny Ivandry sy ny manodidina no anisan'ny mpanjifa ireo zava-mahadomelina hamidiny. Omaly no niakatra fampanoavana izy mirahavavy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Efa any am-ponja izy mirahavavy ireto mizaka ny vokatry ny nataony !
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap
19-mai-2025

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

Card image cap