airtel

Fandriampahalemana

19-mai-2025

ZAZA VERY, VONO OLONA,…

Nilahatra nanao diabe ny olom-pirenena

Sample post image

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

19-mai-2025

fandriampahalemana eto amintsika. Atahorana sao hisy hamaky ny trano rehefa mandeha miasa. Ahiana sao ho very ny zaza rehefa mandeha mianatra na hisy haka an-keriny. Hiasan’ny saina ny mpanendaka rehefva any anaty taxibe na sendra tratra hariva….Manoloana ireo rehetra ireo dia nihetsika nanao diabe niainga teny Ampefiloha niazo an’Andohatapenaka ny olom-pirenena afak’omaly Sabotsy 17 May. Nambaran’izy ireo fa very tanteraka ny firaisankinan’ny Malagasy. Lasa mifamono sy mifanao herisetra ny isam-batan’olona vokatry ny fahantrana sy ny fahasahiranana raha eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fanabeazana. Manana andraikitra amin’izany ny tsirairay hoy izy ireo ankoatra ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Nentin’izy ireo nanairana ny Fitondram-panjakana ihany koa moa ny hetsika fa tena mahatsiaro mijaly ny vahoaka. Ny fitadiavana ny hanin-ko hanina isan’andro efa tena manahirana nefa mbola olana hafa ihany koa ny tebiteby sy ny adin-tsaina manoloana ny zavatra mety hitranga ao an-tokantrano na amin’ny ankohonana.
Pati
Legende : Tokony hahatonga saina ny fanjakana ny diabe hataon’ny olom-pirenena matetika
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap