airtel

Fandriampahalemana

30-nov-2022

Fandriampahalemana

Ivato tsena Vehivavy no deba mpaniraka ireo mpivarotra rongony

Sample post image

Tovolahy iray 24 taona no saron’ny Polisy avy amin'ny sampan-draharaha miady amin'ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina nivarotra rongony tao amin’ny tsenan’Ivato afak’omaly alatsinainy tokony ho tamin’ny 02 ora

30-nov-2022

folakandro. Toeram-pisotroana iray no nahazoana fitarainana tamin'ny olona teny an-toerana mikasika ny fisian’io lehilahy mivarotra rongony io. Rehefa nisavaina tokoa io toeram-pisotroana io dia tratra tao ity lehilahy ity izay nahitana rongony 16 fonosana. Nentina avy hatrany teny amin'ny birao nanaovana fanadihadiana izy ka nanambaran'ity tovolahy ity fa vehivavy iray no tompon'ireo rongony ireo ary apetrany any aminy ka rehefa misy mividy dia tonga ity vehivavy ity maka izany. Fantatr'ilay tompon’ity trano fisotroana ity ny fisian'ireo rongony ireo sy ilay mpivarotra. Tsy tao an-toerana anefa ilay vehivavy nolazainy fa tompon'ireo rongony ireo tamin'ny fotoana nahatongavan'ny Polisy nisambotra azy. Nadoboka am-ponja vonjimaika omaly ny tovolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy tratra
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap