airtel

Fandriampahalemana

30-juin-2025

Ivato

Zaza vao teraka nisy nanary tao anaty tatatra

Sample post image

Zaza vao teraka mbola niaraka tamin'ny tadim-poitra mihintsy saingy efa tsy

30-juin-2025

nisy fofon'aina intsony no nisy nanary tao anaty tata-drano teny Ivato teny ny faran'ny herinandro teo. Teo amin'ny lalana midina miazo ny toeram-pivarotam-panafody no nahitana ny razana. Efa noraisin' ny mpitandro filaminana sy ny CSBII ary ny kaominina Ivato moa ny andraikiny tamin'ny alalan'ireo ekipa sosialy. Tsiahivina hatrany fa ankoatra ny fahantrana lalina mahazo ny isam-baravarana dia anisan'ny antony manosika ny Reny niteraka hamono sy hanary an-janany tahaka izao ny fandosiran'ireo Raim-pianakaviana ny adidiny. Na inona na inona anefa mety ho antony dia heloka hatrany ny famonoana olona ary henjehin'ny lalana.
Pati
Légende : Niforitra kely tahaka izao ilay zaza tsy manan-tsiny vokatry ny hatsiaka ! 

Dans la même rubrique