airtel

Fandriampahalemana

27-juin-2023

Fandriampahalemana

Jaojoby Iza no mahita tombotsoa amin’ny famonoana azy ?

Sample post image

Tonga tetsy Mahamasina ihany ny mpanakanto Jaojoby omaly nandritra ilay matso lehibe notanterahina nentina nanamarihana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena.

27-juin-2023

Nisy nitifitra mantsy ny fiara nitondra ity mpanakanto iray ity sy ny zanany lahy. Tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, nivoaka kelin’i Moramanga no nisehoan’izany raha nikasa hiazo an’Antananarivo izy omaly Alatsinainy 26 Jona maraimbe tokony tamin'ny 2 ora sy sasany. Araky ny loharanom-baovao azo dia avy namonjy ilay Festival Zaitra tany Ambatondrazaka izy sy ny mpiray tarika no izao nisy saika hanafika izao ka teo amin'ny fitaratra nifanandrify tamin’i Jaojoby mihitsy no nisian’izany saingy somary nandeha mafy izy ireo ka avotra soa amantsara ihany. Na izany aza tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy tamin'izao fitifirana tampoka izao, fa ny fiara no nisy fahasimbany. Vaky vokatr’izany ny fitaratra aoriana sy ny fitaratra nifanandrify tamin'ny toerana nipetrahan’ity mpanakanto ity. Mampieritreritra ity toe-draharaha iray ity ary mampametra-panontaniana hoe : inona no mety ho antony ? Iza no mahita tombotsoa amin’ny fahafatesan’i Jaojoby ? sa ve karazana don-tandroka izy ity noho ny antony ara-politika sanatria. Hita ho efa voakajikajjy tsara mantsy na ilay toerana akaikin’ny tetezan’i Mangoro na ilay ora ( tamin’ny 2 ora maraina), izany hoe amina toerana mangiana, takotakona ary amin’ny ora efa tena tsy misy mpivezivezy mihitsy ny lalana. Tsara ho marihina fa farany teo dia nanakiana mafy ny fifidianana ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny OMDA i Jaojoby. Andrasana izay ho tohin’ny fanadihadiana.
Pati
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap