Ilay tranga fanosehana zandary nanakana ny hetsiky ny Mihava Tour tany Morondava teo nataon’ny Depiote Siteny Randrianasoloniaiko no nasiany teny tamin’io, izay tsiahivina fa nisy mihitsy ireo zandary nitsikasina tamin’ny tany rehefa nentin-katezerana io depiote io. Izy ireo izay nahazo alalana avy tamin’ny Prefektiora, saingy nosakanana avy eo, ka niditra tamin’ny famakiana barazy. Tany Analavory ihany koa tapa-bolana lasa izay, dia namaky ny sakana ny TIM notarihin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana rehefa nosakanana tsy handeha an-tongotra, ary nilaza tamin’ny SEG mihitsy hoe : « Sambory aho raha izay no tinao !». Mbola nosakantsankanana ihany koa tany Mananjary omaly. Nilaza kosa ny SEG, fa hisy ny fanadihadiana ary tsy maintsy hisy fepetra horaisina mifandraika amin’ny voalaza fa herisetra tany Morondava nahazo ny zandary. “Mihevitra ny olona fa ao anatin’ny fanarahan-dalàna ary vao omaly ny minisitry ny atitany no nampahatsiahy ny fanapahan-kevitra izay navoakany. Mila manaraka lalàna foana fa tsy misy fatiantoka izany. Raha misy tsy fanarahan-dalana dia tsy maintsy misy foana fandraisan’andraikitra ataon’ny mpitandro ny filaminana. Ny anarany aza efa hoe: mpitandro ny filaminana fa ianao no mety mahita zavatra hafa araka ny toerana misy anao ka tsy ifanomezan-tsiny izany”, hoy ny SEG Jeneraly Serge Gellé. “Izaho manokana tsy mety amiko ilay mifampikasikasi-tànana tahaka ireny. Matoa ireny aloha misy dia misy antony ao, fa izaho mbola tsy nanokatra fanadihadiana sady tsy anjarako ihany koa izany, misy antony ireny fa tsy mandehandeha ho azy. Inoako fa samy haka lesona amin’izany na ny tompon’andraikitra namoaka ny fahazoan-dàlana na ny tompon’andraikitra izay namoaka ny fahazoan-dàlana”, hoy hatrany izy. Nambarany fa aleo milaza izay zavatra itany tany izay tompon’andraikitra mba tsy hiova na hadika zavatra hafa, fa ho azy ireo dia tsy maintsy hisy fepetra horaisiny. Ny mpitandro filaminana dia misy làlana raha mampiasa lakrimozenina aza, fa ny fikasihan-tànana misy lalàna ve? Hoy izy. “Raha ny miaramila izay fehezinay eo ambany fiadidianay no iharan-javatra dia tsy maintsy misy fepetra raisinay, tahaka ny zanaka ao an-trano”, hoy hatrany ny SEG. Naneho kosa ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Rakotoarijaona Josoa fa tany demokratika I Madagasikara, malalaka ny fanehoan-kevitra, ny antony nampisy ny lalàna dia hisian’ny filaminana, tsy afaka miaina eto raha tsisy lalàna, ka tokony samy hanaraka izany mba hisian’ny filaminan’ny tany sy ny Fanjakana. Ny vy tsy mikitrana irery tokoa, ary matoa tonga amin’ireny dia tokony handinin-tena ihany koa ny mpitondra Fanjakana!
Toky R
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy