airtel

Fandriampahalemana

21-févr-2025

Jiolahy 3 matin’ny polisy teny Andohatapenaka

Anisan’ireo nanafika teny Ambodivona, Analakely,…

Sample post image

Nihena 3 indray ireo jiolahy mpanao fanafihana mahery vaika sy mpampihorohoro eto an-drenivohitra

21-févr-2025

Maty voatifitra teny Andohatapenaka omaly Alakamisy 20 Febroary Ramahagaga sy ny namany taorian’ny vela-pandrika nataon’ny mpitandro ny filaminana. Tokantrano iray teny amin’iny faritra iny no fantatra fa niheren’izy ireo. Nirotsaka teny an-toerana nanao ny « opération anti-gang » avy hatrany ny polisy ka nanomboka tamin’ny 04 ora hariva teo ho eo ny poa-basy tsy nifandrenesana niainga teny 67ha hivoaka Andohatapenaka, izay nampivarahontsana ny mponina sy ireo mpandalo tokoa. Tsy nanaiky ihany koa mantsy ireo mpanao ratsy fa namaly bontana ka voatery niaro ny ainy ny mpitandro ny filaminana. Nandritra izany no nahalavo an-dRamahagaga sy ny namany. Nisy namany iray niezaka nanavo-tena nitsoraka tany anaty rano misy tsikafona izay nifampitadiavana, ka raha ny vaovao farany dia matin’ny polisy ihany koa io. Fantatra moa fa jiolahy efa nifampitadiavana hatramin’ny ela izy telolahy ireto. Raha ny fanampim-baovao, efa narahi-maso nanomboka ny fihandoan'ny herinandro izay nenjehin'ny Polisy rehefa nanao fanafihana mitam-piadiana teny Ankazotoha ireto andian-jiolahy ireto. Anisan’ny tambajotran-jiolahy nanao ny fanafihana teo Analakely izay nahafatesan'ilay lehilahy mpanakalo vola vahiny vao tsy ela. Teo ihany koa ny fanafihana teny Ambodivona sy Alasora ity. Nitohy omaly ny fanarahana ireto jiolahy ireto ka nisian’ny ny fifampitifirana. Polisy iray naratra voatifitra ary nentina tao amin'ny hopitaly HOMI Soavinandriana. Mbola mitohy ny fikarohana sy ny fanenjehana ireo jiolahy mbola tsy tratra ataon'ny ekipan'ny SAG, SAG, FIP eto Antananarivo.
Pati

 

 

 

 

 

 


+2

 

Toutes les réactions :
255Prefer Nirina Razanatsimba, MamiTina Andriambololona et 253 autres personnes


Pati
Legende : Anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny ety Andohatapenaka !

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap
27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap