amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fety izao. Hetsika maro no tanterahin’izy ireo noho izany ka anisan’ireny ny fidinana ifotony sy fisafoana tanterahiny. Ny 12 desambra dia andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana nikasa hanafika teny amin’iny faritr’i Behoririka iny no sendra ny Polisin’ny CUI sy UIR nanao fanamiana sivily, ka avy hatrany dia nandositra nihazo ny elakelan-trano miakatra an’Ambondrona. Nampitandrina azy ireo ny Polisy, kanefa dia namoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy ireto jiolahy ireto. Voatery nitifitra ny Polisy noho izany ka lavo avokoa izy telolahy. Fantatra tamin’ny fanamarinana azy ireo fa isan’ireo rain-dainy amin’ny asa fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny manodidina eny izy ireo ary efa naharaisana fitarainana maro.
Pati
Legende : Tsy mitsitsy ny polisin’ny UIR rehefa manao ny asany.
Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.
Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.