airtel

Fandriampahalemana

28-juil-2026

JOJOMAN

Hita tao anaty vovon-drano

Sample post image

ny vatana mangatsiakany

28-juil-2026

Hita tao anaty vovon-drano omaly Alatsinainy 27 Jolay maraina ny vatana mangatsiakan'i Jojoman, ilay Raim-pianakaviana monina ao Sambava, rehefa nivoaka ny tranony hividy sigara ny Zoma alina teo ka tsy niverina. Nanao fikarohana nandritra ny roa andro ny fianakaviany sy ireo mpiray tanàna aminy, raha tsiahivina vao nahita ny razana. Olona nampiasa ilay vovon-drano ihany izay tsy lavitra ny karieran’i Menagisy, no nahita voalohany ny razana ka nampandre avy hatrany ireo tompon’andraikitra. Mbola tsy fantatra hatreto ny anton’ny nahafatesany. Efa misokatra kosa ny fanadihadiana hataon’ireo manam-pahefana ao Sambava mba hamantarana ny tena zava-nitranga. Tombatomban'ny maro ny fieritreretana fa mety novonoina Ratompokolahy vao nalefa tao anaty vovon-drano....Ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka manamarina izany na tsia.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny fotoana nahitana ny vatana mangatsiakan'i Jojoman !
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

vinantony teo amin’ny lohany

Card image cap
17-sept-2026

Novonoina vao nariana tao, famonoana efa nomanina »

Card image cap