Niroso io noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, ka tsy azo atao ny mivezivezy ao amin’ity kaominina ity manomboka amin'ny 9 ora alina hatramin'ny 3ora maraina. Tsy maintsy mikatona manomboka amin’ny 9 ora alina ny toerana fisotroana toaka sy ny « karaoke » rehetra. Ho an’ireo tsy maintsy mivoaka alina noho ny antony manokana kosa dia tsy maintsy mitondra kara-panondro. Tahaka izany ihany koa ny mpiasa alina, izay tsy maintsy mitondra ny karatra amin’ny maha mpiasa azy ao amin’ny orinasany. Nambara fa ireo no didim-pitondrana navoakan’ny kaominina Ambohimanambola omaly 24 aprily 2023 io, dia hisorohana ny tsy fandriampahalemana izay hita fa nirongatra tato ho ato tamin’iny faritra iny. Anisan'ny efa namoaka didim-pitondrana sahala amin'io koa ny kaominina Alasora nanomboka ny 7 ap rily teo, ankoatra ny famoahana didy tsy fahafahana manapoaka afomanga ao anatin’ny iray volana satria hararaotin’ny olon-dratsy hampiasana ny basiny. Natao koa izany ho fitandroana ny tombotsoan’ny vahoaka sy ny fahatonian’ny mponina ary ho famerenana ny fandriampahalemana, hoy kosa ny eo anivon’ny Kaominina Ambohimanambola.
Toky R
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy