dia naharay antso ny zandarimaria Ambohimangakely fa misy mpangalatra gisa tratran'ny fokonolona am-body omby teny Ambohimahintsy izay avy ao amin'ny fokontany Behitsy ihany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary ka 3 lahy no efa voatazon'ny fokonolona dia i Rakotoasimbola Ferdinand, Rakotomalala Kanto Mathieu ary i Rakotonirina Patrick. Samy monina eny Anosibe ireo. Niaraka tamin'ilay gisa iray an'andriamatoa Mamitiana Flavien monina ao Behitsy. Notanana ao amin'ny tobim-paritra izy 3 lahy mba hanokafana famotorana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy