Taorian’ilay tokantrano iray nisy nanafika nahafatesana olona iray dia tokantrano iray ihany koa no nisy nanafika saingy noho ny fahamailoan’ny mpitandro ny filaminana dia sarona avokoa ireo jiolahy miisa 4 nanao izany asa ratsy izany ka maty voatifitra avokoa. Tsy misy mponin’Ampitatafika ireto farany na iray aza. Nihetsika nitady fiaraha-miasa tamin’ny zandarimaria nasionaly sy ny tafika araka izany ny kaominina notarihin’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina ka misy hatrany ny fidinana ifotony any anatin’ireo elakelan-trano hamongorana ireo tontakely sy mpanao ratsy. Fokontany miisa 7 amin’ireo 13 isa mandrafitra ny kaominina hatreto no efa voatety. Mamory fokonolona mihitsy ireo mpitandro ny filaminana sy ireo tompon’andraikitry ny kaominina mandritra izany. Ankoatra ny fanentanana ny mponina mikasika ny resaka fahasalamana, dia entanina mba hahalala hadio ihany koa izy ireo no sady hitandrina ny tenany sy ny fananany manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy ankehitriny. Fantatra moa fa hatsangana isam-pokontany ny andrimasom-pokonolona manomboka izao ho fiarovana ny ain’ny vahoakan’Ampitatafika sy ny fananany.
Pati
Legende : Randrianarivony Marinot Jocelyn, lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe