airtel

Fandriampahalemana

01-févr-2022

Fandriampahalemana

KAOMININA MANJAKA AVARADRANO Mijaly amin’ny tsy fandriampahalemana, ratsy ny lalana

Sample post image

Anisan’ny kaominina tsy lavitra an’Antananarivo nefa tena mijaly tokoa ny kaominina Manjaka Avaradrano, distrikan’Ambohidratrimo raha araka ny tafa nifanaovan’ny Ben’ny tanana Rakotonirina tamin’ny mpanao gazety

01-févr-2022

 

 omaly. Ratsy dia ratsy tokoa mantsy ny lalana ka mahatsiaro ho sahirana amin’ny famoaham-bokatra ny mponina. Raha araka ny fantatra anefa dia anisan’ny faritra tena mpamokatra tongolo ity kaominina ity ary mamatsy an’Antananarivo mihitsy. An’arivony taonina ny vokatra tongony havoakany hany ka lasa vidian’ireo mpandraharaha amin’ny vidiny morary izany. Ankoatra izay dia mirongatra ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Vao tamin’ny herinandro lasa teo ohatra dia omby miisa 3 sy kisoa efatra no indray naripaky ny dahalo tao amin’ity kaominina ity koa hanaovan’ny Ben’ny tanana antso avo amin’ny Fitondram-panjakana. Tamin’iny taona 2022 nivalona iny moa no fantatra fa tena nahazo vahana tany amin’ity kaominina ity ny tsy fandriampahalemana.

 

Pati
Legende Rakotonirina, Ben’ny tananan’i Manjaka Avaratra !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nitrangana fanendahana Taxi moto na itony kodiaran-droa hikaramana hitateram-bahoaka

Card image cap
30-avril-2024

Taorian’ny distrikan’Anjozorobe dia mirongatra ihany koa ny asan-dahalo miaro

Card image cap
30-avril-2024

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny kaomisaria CSPD Antalaha tao Ankoalabe

Card image cap