fakana olona an-keriny any amin’ny distrikan’i Maintirano. Nosakanana jiolahy tao avaratr’i Bemena, Faritra Melaky ny olona maromaro ny 26 Aprily lasa teo raha tsiahivina. Lasan'ireo olon-dratsy an-keriny nandritra izany ny olona miisa 4. Niantso mpitandro ny filaminana avy hatrany ny fianakavian’ireto farany nandritra izany saingy nandrahona azy ireo jiolahy mba hamerina ireo mpitandro ny filaminana raha tsy izany dia hovonoin’izy ireo ireo olona efatra ireo. Nanao ny sakana rehetra nanaronana ny alan'Analakinapa ny zandary taorian'izany na dia nisy aza ny fandrahonana.Votsotra teny amin'ireo jiolahy noho io antony io i Angela, 15 taona, afak’ omaly Alahady 28 Aprily izay nilaza fa mbola misy olona miisa 3 voatazon'ireo jiolahy. Votsotra taorian'ny savahao ihany koa izy telo ireo omaly Alatsinainy antoandro ihany ka zazavavy kely 12 taona no zandriny indrindra. Tsy nisy tratra moa ireo jiolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo olona 4 votsotra teo am-pelatanan’ireo jiolahy sy ireo mpitandro ny filaminana !
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.