Fokontany Manazary, kaominina ambanivohitra Masindray, distrikan’Avaradrano ny 18 May lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora folakandro. Mpiara-miasa akaiky amin'ny zandarimaria no niantso fa misy olon-dratsy tafiditra an-tsokosoko tao amina tokantrano iray eo akaiky ka vetivety dia tonga ny zandary. Niara-niditra tamin'ny tompon-trano hizaha izay ao anatiny izy nandritra izany ka tsy afa-nivoaka intsony ilay ranamana. Ny lamba rehetra tao anaty arimoara efa mikorontana ambony ambany no hita izay saika hangalarany lamba.Tovolahy iray 30 taona monina ao amin'ilay tanàna ihany ity mpangalatra tratra ity.
Pati
Legende : Tahaka izao ny paozin’ilay ranamana tao ambany fandriana tao !
Jiolahy iray voalaza fa badin’ny Fasan’i Karana no tratra tao anaty
Roalahy no tompon’antoka, tratra tao anaty taxi-brousse Lehilahy