airtel

Fandriampahalemana

20-mai-2025

ZAZA VERY TETO AN-DRENIVOHITRA

Nahatratra 45 tato anatin’ny 5 volana voalohan’ny 2025

Sample post image

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

20-mai-2025

teto an-drenivohitra nanao filazana teo anivon’ny Polisim-pirenena, raha araka ny vaovao azo. Tamin’ity volana May ity anefa no betsaka indrindra satria dia nahatratra 14 isa izany. Raha araka ny fantatra dia ireo ankizy mitsoaka ny tokantranon-dRay aman-dReniny no tena betsaka amin’izy ireo. Mety ho vokatry ny tsy fahafaliana ny amin’ny fiainana hiainany izany hoy ny psikology iray nefa mety ho vokatry ny fitanilan’ny fitaizana ihany koa. Rehefa tsy ampy fitaizana mantsy ny ankizy noho ny rotorotom-piainana hiainan’ny Ray aman-dReny isan’andro dia lasa mitady fitiavana any an-kafa. Misy indray ireo mikatsaka izany anaty finday noho ny fivoaran’ny teknolojia avo lenta ankehitriny. Tsy mety hoy hatrany ity psikology ity ny fividianana finday avo lenta ho an’ny ankizy ho takalon’ny tsy fahampian’ny fotoana hihaonan’ny Ray aman-dReny sy ny zanaka. Avy amin’ny alalan’izany mantsy no mampanita-tsaina ny ankizy ka mahatonga azy hanaotao foana. Vahaolana aroson’ity psikology ity araka izany ny tokony hanatsarana hatrany ny fifandraisana eo amin’ny ankizy sy ny Ray aman-dReny na inona na inona olana mety sedraina sy ny hasarotan’ny fiainana.
Pati
Legende : Ny zazavavy kely no tena betsaka very eto amintsika !
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap