tokony ho tamin’ny 6 ora sy 20 minitra, an-dalana tao Ambodielana, akaiky Sarilenta, raha ny fampitam-baovao voaray. Handeha hanatitra vatsin'ny zanany faralahy izay hiatrika «CEPE Blanc» ao Ambodimanga izy izao niharan'ny hetraketraka izao. Nifanena tamina lehilahy iray izay 20 taona eo ho eo izy. Vao nahita azy ilay lehilahy dia nametraka entana ary nanenjika azy avy hatrany. Hery tsy mitovy moa ka tsy lasa lavitra dia tratrany ilay ramatoa. Nokaikeriny ny sofina iray ka niala mihitsy. Nokaikeriny ny tarehiny. Naolany avy eo. Efa voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza. Efa nentina ao Toamasina kosa ilay ramatoabe, izay tena voa mafy tokoa, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija Sary indrana
Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona