voalaza fa jiolahy raindahiny, ka isan’ny nikarohana azy ny raharaha fakana an-keriny any Alaotra. Sarona nandritry ny fisafoana fanaraha-maso nataon'ireo Zandary avy ao Morarano Chrome Amparafaravola i antsoina i Landry ny 18 novambra 2023 tamin'ny 10 ora alina. Vao marainan'ny omaly alahady dia notarihiny ireo Zandary hatoro ny toerana ieren'ireo namany tao Antanimafy. Rahefa teny an-dalana anefa dia nirifatra nandositra tampoka izy teny Ampasika ; nomena fampitandremana mba hijanona saingy tsy nanohina; hany herin'ireo Zandary dia nitifitra azy ka lavo avy hatrany, hoy ny tatitry ny zandarimariam-pirenena. Nomahafisina fa izy dia jiolahy iray mpanao fakàna olona ankeriny (kidnapping), fikambanan-jiolahy (association des malfaiteurs), fakàna volan'olona an-terisetra (extorsion des fonds), vonoanolona (meurtre), fitazonana olona tsy ara-dalàna (séquestration), sy ny asa fampihorohoroana maro tao anatin'ny faritra Alaotra Mangoro.
Efa nanaovan'ny Andian-tafika manokana hetsika hazalambo mihintsy nandritry ny taona 2022-2023 iny ary efa namoahana filazàna hazalambo, fa izao vao tratra saingy lavo teo ampandosirana. Hatao hazalambo avokoa ireo namany voatantarany ary tsy hamelana raha tsy mitolo-batana na voasambotra na lavo, ka velom-pisaorana ireo mponina ao Morarano Chrome sy ireo fianakaviana efa nanaovany asa ratsy rahavao nahare ny fahalavoany, hoy ny zandary. Ny volana martsa moa no nanomboka niparitaka ny didy fikarohana sy fisamborana azy io, ary tahaka izany ihany koa ny an’i Mahaleo Jaona Fanomezantsoa, izay misy ny milaza fa « assistant parlementaire » ary manana fifandraisana manokana amina manam-pahefana, ka sarotra henjehina hatreto.
Toky R
Nahonena ny nahita an'ireo Ray aman-dRenin'ilay zazalahikely vao herin-taona
Mihoatra ny 10 hatreto ireo jiro manazava ny lalambe nisy nangalatra
Efa mitady hevitra hahazoam-bola avokoa ny olona rehetra amin’izao.
Tsy milamina ny ao Manja, ambanivohitr’i Morondava, 190 km atsimon'i Morondava,
Lehilahy iray 38 taona no tra-tehaka nanararaotra namaky fiaran'olona teo an-tokontanim-piangonana
Nirefotra ny basy omaly 4 desambra tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany maraina tetsy Namontana,