airtel

Fandriampahalemana

25-oct-2023

Fandriampahalemana

Kidnapping” sy vono olona Lavon’ny mpitandro filaminana I Lebaba

Sample post image

Ela ny ela fa lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana ihany i Lebeba,

25-oct-2023

ilay jiolahy mpaka an-keriny sady mpamono olona tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny. Tao amin’ny tsenan’Ibinty ny anaolahy no nosamborina saingy raha vantany vao nahita ireo zandary ity jiolahy ity dia nitsoaka avy hatrany. Natao ny fanenjehana azy, nanapoahana basy mba hijanona fa vao mainka nanao tongotra an-katoka ihany izy. Antsy lavabe no teny an-tànany nandritra izany. Teo an-tampon-tanety antsoina hoe : Îlot Soavinarivo fokontany Ambalavao kaominina Ibinty izy no tratra saingy mbola nanohitra hamono ireo zandary tamin'ny antsy lava ihany.Voatery nampiasa basy ny zandary noho izany ka voatifitra ary namoy ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra i Lebeba. Raha tsiahivina koa dia efa naka an-keriny zaza 7 taona tao Alarobia Bemaha ny anaolahy tamin’ny taona 2022. Toraka izany koa ilay famonoana vehivavy tao Manaovasoa fokontany Mananjara kaominina Ambatomifanongoa izay maty notsatohiny antsy mihitsy. Teo ihay koa ilay halatr'omby mitam-basy sy fitaovam-piadiana tsotra izay mampihorohoroany ny mponin'ny kaominina Alarobia Bemaha sy ny manodidina.
Nangonin’i Pati
Legende : Nahazo tapakila ho any amin’ny varo tsy mifody ihany koa i Lebeba rehefa ela niriharihavana !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap