airtel

Fandriampahalemana

16-févr-2026

Kidnapping » sy vono olona

Zaza 1 taona sy 4 volana nalaina

Sample post image

an-keriny, ny reniny novonoina

16-févr-2026

Zazalahy 1 taona sy 4 volana no nalain’ny jiolahy an-keriny, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy ity. Niaraka tamin-dreniny sy ny zokiny 4 taona teny an-tsaha, tany Amparihimanga, kaominina ambanivohitra Maritampona, distrikan’i Tsiroanomandidy, izy io. Niezaka niaro ilay zaza ny reniny saingy novonoin’izy ireo ka maty teo no ho eo, hoy ny fanazavana. Novonoina ihany koa ilay zokiny, izay noheverin’ireo olon-dratsy fa maty. Nahatsiaro tena anefa ilay zaza naratra ary afaka nody nangataka vonjy. Hatramin’iny sabotsy iny dia tsy hita ilay zazalahy nalaina ankeriny na dia efa nanao fikarohana aza ny fokonolona, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin'i J. Mirija

 

Dans la même rubrique