airtel

Fandriampahalemana

16-mars-2023

Fandriampahalemana

Kidnapping” tany Morarano Chrome 70 tapitrisa Ar vao votsotra izy 3 mianadahy

Sample post image

Votsotra teo am-pelatanan’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ireo 3 mianadahy (Tantely 24 taona, Elian 22 taona,

16-mars-2023

Jaona Nomentsoa 15 taona) nisy naka an-keriny tao Ambohimanarivo Morarano Chrome ny alin’ny 24 febroary lasa teo, rehefa nisafidy ny handoa volabe tamin’ireo mpaka an-keriny ny fianankavian’izy ireo. Niantso ny fianankaviana ireo mpaka an-keriny ny 13 martsa, ny alin’ny 14martsa no natao ny fandoavana ny vola. Tsara ny manamarika fa hatrany amin’ny 200 tapitrisa Ar ny vola notakian’ireo olon-dratsy tany am-piandohana, saingy 70 tapitrisa Ar no niafarany, raha ny voalazan’ny fianakaviany. “Rehefa avy niaina tao anaty tebiteby nandritry ny alina dia hita izy 3 mianadahy. Marihina fa nandoa vola be 70 tapitrisa ariary izahay fianakaviana vao navotsitr'ireo dahalo ireto zandrinay ireto. Tebiteby, hoy aho, satria ny vola voatolotra an’ireo dahalo omaly talata efa ho maizina iny kanefa izy 3mianadahy dia nolazainy efa nalefany any. Nandritry ny alina dia efa nitady sy nikaroka ny fianakaviana sy fokonolona ary ny zandary rehetra fa tsy nahita ary io maraina io tamin’ny 8 ora vao hita ry zareo izay tany amin’ny toerana nanaovana ny “transaction” tany Marotsipoy Amboasary distrikan’Anjozorobe”, hoy ny fitantaran’ny havany. Misy kosa ny fampahalalam-baovao samihafa mitatitra fa raha 200 tapitrisa Ar no notakiana dia nidina tsikelikely hatramin'ny 10 tapitrisa ariary izany rehefa nanomboka ny “operation harato” sy nivoahan'ny sarin'ireo jiolahy natao fikarohana. Ny zava-dehibe aloha izany dia votsotra sy velon’aina soa aman-tsara izy telo mianadahy nalaina an-keriny. Any amin’izy ireo no mety hisian’ny hirika amin’ny fanatrarana ireo tena atidoha.
MBOLA TSY HITA NY ATIDOHA
“…15 ireo olon-dratsy efa namoy ny ainy, olona 5 no atao famotorana ary hatolotra ny fitsarana. Mbola misy karohina, ka anisany I Jady efa voasambotra, kanefa namoahana fikarohana indray. Efa voasambotra, fa tafatsoaka noho ny fahaizany manokana fa tsy resaka fandoavam-bola, ary efa hita soritra no misy azy”, hoy ny mpitandro filaminana. Na 15 aza maty, tsy votsotra ireo nalaina an-keriny raha tsy tamin’ny alalan’ny fandoavana volabe, dia midika fa mbola miriaria any ny tena nitazona azy ireo sy ny mety ho tena atidoha. Iaraha-mahalala ihany koa ny fisiana didy fampikarohana olona maromaro. Efa tena tambajotra matanjaka ny mpanao asa ratsy sy afera maloto avo leta ao Alaotra Mangoro, ary ahiana ho misy olona ambony sy manam-pahefana tsy azo kitikitihina ho isan’ny atidoha ka mampananosarotra ny fikarohana ny marina sy fanenjehana. Mbola misy 3 ohatra, ireo namoahana didy fikarohana ofisialy, izay efa miparitaka ny sariny, ankoatra ireo hafa mety voarohirohy. Tany amin’ny jolay 2022 no efa nisy fampahalalam-baovao nitantara ny fijoroana vavolombelon’ny rain’ny tovovavy nalaina an-keriny iray fa fiarana vadina depiote no nampiasain’ireo olon-dratsy, ireo voatonontonona sy karohina amin’ity iray farany ity misy voalaza fa “assistant parlementaire”,… Mba tonga any amin’izany resaka fifandraisana mivantana na ankolaka amina manam-pahefana izany ve ny fikarohana sy fanadihadiana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap