airtel

Fandriampahalemana

25-sept-2023

Kidnapping” tao Anjozorobe

Olona 3 indray no lasan'ny mpaka an-keriny

Sample post image

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin'ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Andranomisa Distrikan’ Anjozorobe

25-sept-2023

ny Sabotsy 23 Septambra teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina. Saika haka an-keriny olona ireo jiolahy ireo ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’izy ireo sy ny miaramila mpiambina izay naharitra ora iray teo ho eo. Nahatsiaro resy ireo dahalo ka nandeha nitsoaka niantsinanana. Tsy nisy ny olona azony nandritra izany raha tsy nisy koa ny entana very. Ireo olona nokasaina halaina kosa tsy tao an-toerana fa mbola tany Mangamila hoy ny vaovao. Niverina indray anefa ireo dahalo ireo tokony ho tamin’ny 10 ora alina naka ireo olona miisa telo izay nahitana vehivavy iray, ankizy iray ary olon-dehibe iray saingy tany amin’ny toeran-kafa. Tao Anjangazanga, Baiboka Fokontany Ankidondona, kaominina Ambanivohitra Amboasary izy ireo no nandeha izay tombanana ho ireo nifampitifitra tamin’ny miaramila tao Andranomisa ihany saingy tao Baiboka izy no nahazo izay notadiaviny. Mbola tsy hita izy telo mianaka ireo hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Pati
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap