airtel

Fandriampahalemana

21-nov-2023

KIDNAPPING » TENY AMBOHIDRATRIMO

Voasoroka ny teti-dratsy, maty voatifitra i Migabe

Sample post image

Saika nitrangana fakàna an-keriny tamin'ny herinandro teo tao Anjanadoria, distrikan'Ambohidratrimo saingy

21-nov-2023

voasoroka ara-potoana izany. Efa nipetrapetraka avokoa anefa ny paika maloton'ireo olon-dratsy.Taorian’ny trangana fakàna an-keriny izay niseho ny 05 Novambra teo tao Tsarahonenana ,kaominina ambanivohitra Avaratsena Sahalemaka,no nahafahana namantatra izany.Vehivavy niisa roa no nisy naka an-keriny nandritra izany ary navotsitr'izy ireo herinandro taty aoriana.Nanao ny asa rehetra nitadiavana izay tompon'antoka ny zandarimaria ka 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐫𝐨𝐚 no voasambotra ary nibaboka sy nanondro ny tena ati-doha amin’izany dia i 𝐌igabe.Nibaboka sy niaiky ny helony i Migabe nandritra ny fanadihadiana natao taminy ary nilaza fa mbola nikotrika fakàna an-keriny any Anjanadoria no sady nanondro ireo namany.Nanao be midina tamin'ny toerana nolazain'izy ireo ny zandary tamin'io daty io ary dia raikitra tokoa ny fifanjevoana.Mbola nikasa nitsoaka indray i Migabe no sady nanampy tosika ireo namany. Tsy maintsy natsahatra tamin'ny asa ratsiny izy noho izany. Basim-borona iray no azo tany amin'ireto daholo ireto. Zandary roa kosa naratra nandritra izany.
Pati
Legende : Ela ny ela fa maty voatifitra i Migabe !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap
12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap