mpanome hevitra ny dahalo tany amin'ny kaominina amba'ivohitr'Anjomaha Ramartina, distrikan'i Mandoto. Ny 14 Septambra lasa teo tamin'ny 2 ora maraina no nitrangan'izany tany an-toerana. I Koto raha tsiahivina dia miara-miasa akaiky amin'ny dahalo. Mpanolotra no tena asany, izany hoe : izy dia mponina eny amin'ny manodidina ihany ka rehefa misy omby tian'ny dahalo alaina dia izy no manome "renseignements" an'ireo dahalo. Manome ny fombafomba sy ny fotoana mahamety hangalarana. Vantany vao naheno izany ny zandarimaria dia nandefa ekipa miisa 6 tarihin'ny Lietnà Komandy lefitry ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Mandoto izay efa manao ny operation any amin'iny faritra iny. Voasambotra i Koto ka rehefa natao famotorana dia nolazainy fa miafina anaty trano mitokana any anaty bozaka ireo dahalo namany izay efa miomana hanafika.Rehefa nojerena ilay toerana voalazany dia tsy tratra tao akory ireo dahalo ka nentina niverina izy.Teny an-dàlana hiverina anefa dia nandrasan'ireo dahalo ny zandary ka nokasainy ho tafihina mba hakàna an'i Koto. Raikitra ny fifampitifirana ka ny balan'ireo dahalo ihany no nahavoatifitra an'i Koto namany. Dahalo miisa 3 kosa no hita naratra nandritra ny ady ka nentin'ny namany nitsoaka. Lavo teo an-tany niadiana kosa i Koto ka nentin'ireo fokonolona izay nanatri-maso izany mba ho alevina aorian'ny fizahan'ny dokotera. Mitohy ny fikarohana ireo dahalo nitsoaka.
Pati
Légende : Lavo i Koto naman'ireo jiolahy !
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny