airtel

Fandriampahalemana

18-janv-2023

Fandriampahalemana

Lalam-pirenena faha-4 Nisy nitora-bato ilay fiara nitondra mpizahatany

Sample post image

Miha ratsy hatrany ny fandriampahalemana any amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny ankoatra ny lalana.

18-janv-2023

Fiara mini bus iray mpitondra mpizahatany no fantatra fa nisy nitora-bato teny amin'ny lalam-pirenena faha-34, 35km miala an'i Maevatanàna afak’omaly tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro rehefa hiazo an’i Mahajanga. Niparitaka vokatr’izany ny fitaratra saingy tsy nisy kosa ny naratra. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia lala-mahitsibe no sady tsara no nitrangan’ity fitoraham-bato fiara ity. Sahiran-tsaina ihany araka izany ny rehetra nandinika ny mety ho fikasan-dratsin’ireo mpitora-bato na saika hanafika tamin’ny andro atoandro na sotasota entina hampihorohoroana ireo mpizahantany vahiny fotsiny. Efa nampandre ny zandarimariam-pirenena any amin’iny lalam-pirenena iny moa ireo lasibatraraha nandositra tsy nisy tratra kosa ireo tompon'antoka.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap