Nandritra ny sakana nataon’ny mpitandro ny filaminana raha tsiahivina dia nahatsikaritra lehilahy iray nanosika moto JOG avy lavitra izy ireo. Rehefa niroso tamin’ny fisavana ireo mpitandro ny filaminana dia tsy nahitana kara-panondro teny amin’ilay nanosika moto. Nozahana ny taratasin’ilay moto fa tsy nisy ihany koa. Tsikaritra nandritra ny fisavana anefa fa nahitana fanalahidina trano maromaro sy isan-karazany ary « tournevis » teny aminy. Fantatra nandritra izany fa moto halatra ilay natosika. Namiravira vola tamin’ireo mpitandro ny filaminana ny tenany mba hahafahany mitondra izany. Notondroiny avy hatrany ny trano izay vao avy novakiany tamin’io maraina io. Rehefa tonga teny amin’ilay trano ireo Polisy dia tsikaritra fa voatapaky ny mpangalatra ny rojo vy nitana ilay vavahady ary voadidy ny « cadenas ». Nofohazina ny tompon-trano izay mipetraka teny amin’ny faritra Behenjy /Itaosy mba hahafantarany ny zava-nitranga. Natolotra ny Polisin’ny SUT Tsaralalàna moa ity lehilahy ity ary efa niakatra fampanoavana.
Pati
Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,
Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.
Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.
Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.