airtel

Fandriampahalemana

08-août-2022

Fandriampahalemana

Loza tao Ikalamavony Olona 2 namoy ny ainy

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao Mangidy Ikalamavony ny sabotsy 06 aogositra lasa teo, tokony tamin'ny 12 ora 20mn. Raha araka ny vaovao azo dia 2 km tsy hidirana ny kaominina ambanivohitra Mangidy no nisehoan’ny loza raha avy any Fianarantsoa.Taxi-brousse hiazo an’Ikalamavony nitondra olona no lasibatra

08-août-2022

tamin’izany izay fantatra fa nivadibadika. Olona roa no namoy ny ainy teo noho eo raha miisa valo kosa ireo naratra izay mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CBS-II Mangidy hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay. Raha araka ny fitarainan’ireo mponina any an-toerana moa dia miandry fatratra ny asa fanamboaran’ny fanjakana ity lalam-pirenena faha-42 ity izy ireo. Diso ratsy loatra mantsy ilay lalana hany ka mamoa-doza matetika tahaka izao. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hanomboka ny asa izy ireo hisorohana ny loza mateti-pitranga tahaka izao. Efa fampanantenan’ny Fitondram-panjakana rahateo ny hanamboarana ity lalana ity hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap