airtel

Fandriampahalemana

05-mars-2025

Madagasikara

Ifamezivezen’ny trafikana zava-mahadomelina

Sample post image

tambajotra goavambe amin’ny fanondranana sy fivarotana zava-mahadomelina no rava

05-mars-2025

taorian’ny fisamborana sy fanagiazana zava-mahadomelina milanja 16 kg, karazana cocaïne avy any Pakistan nampandalovina teto izay saika hoentina any amin’ny Nosy Maorisy ny tapaky ny febroary. Ny fanadihadiana notarihin’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) teto Antananarivo no nahafahana nisambotra olona maromaro, saingy mbola misy ny ahiahiana tsy tratra ary mbola tsy hita daholo ny zava-mahadomelina rehetra. Fanadihadiana iray hafa ihany koa no natomboka mba hamantarana ny tambajotran’ny fifanakalozana ara-bola amin’ity raharaha ity. Olona folo no efa natolotra teo anatrehan’ny fitsarana, ka valo amin’izy ireo no nampidirina am-ponja vonjimaika ao Tsiafahy, ary vehivavy iray kosa voatazona ao Antanimora, raha ny tatitry ny manam-pahefana hatrany. Misy manamboninahitra ao amin’ny Zandarimaria sy ny Polisim-pirenena ihany koa voarohirohy, ary voalaza fa nisy hotely iray eto an-drenivohitra nampiantrano ireo mpanao trafika. Tratry ny fiampangana maro ireo voarohirohy, anisan’izany ny famotsiam-bola, kolikoly avo lenta, fitazonana basy tsy ara-dalàna, ary fivarotana, fizarana, fanomezana ary fanapariahana zava-mahadomelina tena mampidi-doza. Toe-javatra maneho sy manamafy itony, fa anisan’ny toerana hiodinana sy ifamezivezen’ny trafikana zava-mahadomelina na « plaque tournante » i Madagasikara. Ny oktobra 2021, ohatra raha hampahatsiahy ny fahatrarana zava-mahadomelona 600kg mahery. Niainga avy tany Brésil ireo, natao tao anaty gonin-tsiramamy, ka mandalo any Le Havre any Frantsa avy eo mankany Italie no tokony ho lalany. Nanaovana fanadihadiana, ka nantsoina ireo sampam-pikarohana vahiny toy ny Frantsay sy ny Amerikanina hijery azy satria matanjaka amin’izany sy manana fitaovana ireo, teo no nahitana fa vovoka zava-mahadomelina “Cocaïne de base” tena mbola hiringirina, ka ampitomboina 10 izy izay vao azo jifaina. Raha 600 kg izy izany, dia mahatratra hatrany amin’ny 6 taonina rehefa vita. Ampahany ireny, fa betsaka ireo endrika trafika mitranga sy mandalo eto na zava-mahadomelina io na harem-pirenena,...
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap