airtel

Fandriampahalemana

14-juil-2025

Mahajanga

Jiolahy nokarohina hatry ny ela maty voatifitra

Sample post image

Maty voatifitry ny Polisy Jiolahy rain-dahiny efa notadiavina hatramin'ny ela

14-juil-2025

no maty voatifitra tao Mahajanga afak'omaly Sabotsy 12 Jolay folakandro. Raha araka ny fantatra dia tena havanana amin'ny fanendahana miaro herisetra ao amin’ny fokontany Mahabibo kely Mahajanga izy io. Avy namaky fiara tany Tsaramandroso ity jiolahy ity no nifampitadiavana kinanjo nifanehatra tamin’ny Polisy. Vao nahita ireo Polisy izy dia nanohitra fa tsy nanaiky nosamborina mora ary nikasa haka an-keriny ny basin’ny iray tamin’ireo Polisy nisambotra azy. Raikitra ny fifanjevoana ka maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy tamin’ny tifitra ity jiolahy ity. Tsiahivina moa fa efa mandry andriran'antsy vokatry ny tsy fandriampahalemana ao Mahajanga ihany koa ireo mponin'i Mahajanga amin'izao.
Nangonin'i Pati
Légende : Nahazo saran-dalana hiazo ny varo tsy mifody ilay ranamana ity !
 

Dans la même rubrique