Fasana miisa 4 indray no indray vaky ny Sabotsy 18 Novambra alina lasa teo tao Andita, kaominina ambanivohitr’i Mahitsy. Nifanakaiky avokoa ireo fasana ireo hoy ny vaovao ary mbola irony any ambanin’ny tany irony avokoa. Lasan’ireo mpangalatra nandritra izany ny razana rehetra tao amin’ireo fasana ireo izay tsy latsaky ny 30 isa. Ny lamba sisa no navelan’izy ireo hoy ny loharanom-baovao, vaky fasana izay tombanan’ireo fianakaviana ho naharitra elaela mihitsy. Olona sendra nivoaka maraina, nandalo ny toerana misy ireo fasana ireo no nahita izany efa nibanaka ka nampandre ny fianakaviana. Efa tonga nijery ireo taolam-balon’ny fianakaviany moa ireto farany ary efa nampandre ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Pati
Legende : Mirongatra ny vaky fasana any amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny !
Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.
Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,
Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.
Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.