eto Madagasikara, Soja Ramiandrisoa Fulgence, notronin’ny solontenan’ireo mpikambana ao anatin’izany. Firenena miisa 14, hoy izy, no nanatrika izany tany ka isany isika malagasy. Fampiraisana na “réseautage” ho an’ireo firenena 14 ato Afrika ho fampanjariana ny zo tokony hisitrahan’ireo olona manana toe-tena varira no tanjona. Efa lasa lavitra amin’izany ireo firenena 13 ankoatrantsika fa isika no tara. 10 taona lasa teo no efa nananan-drizareo rafitra raha toa ka 8 volana izay no nitsanganan’ny fikambanana eto amintsika. Isaorana ny eto Afrika efa nankato izany sahady. Nisy moa ny fifampizarana traikefa, ny fifanoroana ny tokony ho atao. Isan’ny fiaraha-miasa ho avy amin’ny volana aprily eo na afaka 1 volana ny fahatongavan’ny “crème solaire” ho fitsaboana ny hoditra sy ho fitsinjovana ny fahasalaman’ireo olona manana toe-tena varira. Hitohy foana io. Fiaraha-miasa amina fikambanambe na “fondation” ao anatin’ny 3 na 4 taona. Hiezaka ny fikambanana hanangana ny orinasa mpamokatra io akora na “crème” io mihitsy mba hanamora ny fisitrahan’ireo olona ilay izy satria fanampim-piainany mihitsy io. Ezaka ankoatran’izay koa ny famerenana an-tsekoly ireo nitsoaka an-daharana noho ny toe-tena varina. Mbola misy ny trangana halatra olona manana toe-tena varira toy ny tamin’ny tapa-bolana tao amin’ny distrikan’I Vangaindrano, kaominin’I Loapary. Mbola tsy niverina hatramin’izao ilay zazavavy 9 taona. Ny jolay teo moa nisy tao Amboasary atsimo ny fangalarana zaza varira 2 taona natao tao anaty gony. Rehefa nandeha ny fiaraha-miasan’ny mpitandro filaminana dia tratra ireo 4 mirahalahy nanao ilay asa ratsy. Ny mampalahelo ankehitriny dia afaka madiodio anefa izy 4 mirahalahy ireo. Mahatsiaro tena ho atao tsinontsinona ary tsy voahaja ny zonay ka manao antsoavo ny minisiteran’ny fitsarana izahay hamerenana io fanadihadiana io, hoy hatrany ny tenany. Tombanana ho 6000 hatramin’ny 8000 isa hatreto ny varira manerana an’I Madagasikara fa mbola mandeha moa ny fanisana. Manodidina ny 600 kosa ireo anaty fikambanana ary ireo aloha no ezahana ahazo ilay “crème” maimaimpoana mba ho fanentanana ny hafa hiditra anaty fikambanana. Jifaina amin’ny vidiny 100.000 Ariary ny iray boaty amin’izany izao ary mandany 2 isam-bolana raha tsy maintsy mampiasa azy in-3 isan’andro. Manodidina ny 25 moa no isan’ireo halatra varira, raha ny antotan’isa farany. 2 no maty fa saika avotra ny ankamaroany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe